<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Jeso Kristy Tomponay,
 Zanaka malalan-dRay,
 No naetry ho anay;
 Mamonje anay anie.

[V2]
 He! ny fahatsoranao
 Sy ny hadiovanao
 Tsy mpanota Hianao;
 Mamonje anay anie.

[V3]
 Hianao no marina,
 Mora fo sy masina,
 Ary tsy mialona;
 Mamonje anay anie.

[V4]
 Tsy niala sasatra,
 Tsy nandà ny sarotra,
 Fa nitondra henatra.
 Mamonje anay anie.

[V5]
 Heloka, tsy rariny;
 Hianao najaliny
 Tao an-tampon'i Kalvary;
 Mamonje anay anie.

[V6]
 Lasanao ny helokay
 Raha mibebaka izahay
 Tsy manao ny sitrakay
 Mamonje anay anie.

[V7]
 He! ny fitsangananao,
 Resy ny fahavalonao
 Tamim-boninahitrao,
 Mamonje anay anie.

[V8]
 Hianao, ry jeso ô!
 Anateranay izao
 Saotra izay anjaranao;
 Mamonje anay anie.

[V9]
 Fo, fanahy, tena koa,
 Ho anao mba hahasoa
 Izay rehetra tia tokoa;
 Mamonje anay anie.</lyrics>
<title>Jeso Kristy Tomponay, FFPM820</title>
<hymn_number>820</hymn_number>
</song>